Soavinandriana Itasy: Nisavorovoro ny mpampiditra hira
Niteraka savorovoro tao amin’ny kaominina Saovinandriana omaly maraina ny olan’ny mpampiditra hira. Tsy maintsy maka fahazoan-dalana amin’ny kaominina sy mandoa sarany 30.000 ariary avy ireo mpampiditra hira ao Soavinandriana. Lamin’asa vaovao io; izay tsy nahafaly ireo voakasiky ny asa. Eo amin’ny 20 eo ny isan’izy ireo.
“Vokatry ny tsy fanekena izany soro-dalana vaovao izany; nandefa hira faran’izay mafy ireo mpampiditra hira ary namory vahoaka. Nitangorona ny olona; niteraka fikatsoana teo amin’ny arabe. Nitohana ny fifamoivoizana.” Hoy Rado, nanatry maso.
“Nanahy ny mety ho fihoaram-pefy ataon’ireo mpampiditra hira ireo tompon’andraikitra; niantso polisim-pirenena teo an-toerana handamina ny raharaha. Nampifanantonana ny an-daniny sy ny an-kilany. Niravina ny disadisa rehefa vita ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta.” Hoy ny tompon’andraikitra.
Tao aorian’ny fifarahana izay nataon’ny roa tonta, niravina ny ady; efa miverina amin’ny laoniny ny eny an-toerana.
