ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ao Floride no misy ny vehivavy fohy indrindra eran-tany

18 taona i Wildine Aumoithe. Izy indray no voarakitra ao amin’ny « Guiness des records » fa vehivavy fohy indrindra eran-tany. Mirefy 71 santimenatra monja i Wildine Aumoithe.Taizan’aretina « nanisme » tsy dia fahita antsoina hoe Saddan izy. Mampivondrona « achondroplasie sévère » sy tsy fitomboana ara-dalàna ary « acanthosis nigricans » io aretina io. Vao teraka izy dia nilaza tamin’ny fianakaviany ny mpitsabo fa 24 ora ihany no faharetan’ny andro iainana. Saingy nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana nandritra ny enim-bola izy ka izao mbola velona izao. Tsy afaka mandeha intsony i Wildine Aumoithe, miha antitra ny taolina ka mipetraka sisa no azony atao.

Laisser un commentaire