ActualitésTatitra

Pays-Bas : Niditra fihiboana ny alahady teo

Manoloana ny firongatry ny valan’aretina dia nandray fepetra mafy ny lehiben’ny governemanta ao an-toerana Mark Rutte. Niditra fihiboana ny 19 desambra teo i Pays-Bas mba tsy hampirongatra ny andiany fahadimy amin’ny valan’aretina sy hisorohana ny fiparitahan’ny variant Omicron izay mifindra haingana.Manahy ny fiakaran’ny taha ambony ireo tompn’andraikitra ara-pahasalamana ao an-toerana noho izany. Nanamafy i Mark Rutte fa mihiboka avokoa ny rehetra amin’ny vanim-potoan’ny fety ary aharitra hatramin’ny 14 janoary 2022 izao izany.

Laisser un commentaire