ActualitésTatitra

Etats-Unis : Kaonty miisa 1 500 tao amin’ny Facebook sy Instagram no nakatona

Kaonty 1 500 tao amin’ny Facebook sy Instagram no nampiasana tamin’ny « cyber-mercenaire » izay nitsikilo mafana fo, « dissident » ary mpanao gazety 50 000 eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanambara i Mark Zuckerberg fa nofafana avokoa ireo kaonty ireo, ary nampandrenesina avokoa ireo voakasik’izany. Nilaza izy fa fanarahamaso ireo tsy manara-dalàna sy ireo mpampihirohoro no nolazain’ireo olona tratra ireo taminy.Ny fomba iasan’ireo kosa dia amin’ny fanokafana kaonty « fake », ary niditra mpikambana ao amin’ny vondrona fifampiresahana misy ireo olona ireo izy, ary maka ny fahatokisany. Rehefa azony izany dia mandefa rohy any amin’ireo olona ireo izy, izay ahafahany mifandray amin’ny finday ka ahazoany ny toro rehetra ao anatiny.

Laisser un commentaire