ActualitésTsidika

Bongolava : Foto-drafitr’asa telo no vita ao Ambohitromby

Foto-drafitr’asa miisa telo indray no notonkanana tao amin’ny kaominina Ambohitromby, Distrikan’ny Fenoarivobe ny talata 16 aogositra 2022. Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tsenabe fandrosoana no nanatontosaina izany.

Lapan’ny tanàna, kianja filalaovam-baolina ary lycée vaovao izay niaraha niasa tamin’ny Projermo no notokanana tamin’izany. Tamin’izany ihany koa no nanolorana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ity kaominona ity hoy ny minisitry ny angovo sy akoran’afo Andry Ramaroson. Natao izany hetsika rehetra izany ho entina hampandrosoana hatrany ny kaominina Bongolava hoy ny solombavam-bahoaka eny an-toerana Bien Aimé Randrianarisoa.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire