ActualitésTsidika

Vohémar : Iray no maty, dimy no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an’ny Vohémar amin’Ambilombe ny talata teo. Marihina fa efa matetika misy lozam-pifamoivoizana amin’ity lalana ity.

Ny fandehanana mafy loatra sy ny fahitana ny lalana tsara voatra no nahatonga ny loza, hoy ireo nahita ny tranga, anisan’izany Tombifeno Zoralie. Vokan’izany indrindra dia maty ilay mpamily ny fiara ary naratra kosa ireo olona dimy hafa tao anatin’ny fiara miampy olona monina eo Ampasimajina, toerana nisehoan’ny loza.

Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly be Salfa Vohémar ireo naratra.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire