ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manao ezaka fanadiovana eny an’arabe isaky ny roa volana

Mitohy ny ezaka fanadiovana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tsy mijanona eny anivon’ny fokontany sy ny elakelan-trano ny fanadiovana fa mitohy sy midina hatreny amin’ny arabe. Nasiam-panadiovana tokoa ny faran’ny herianandro lasa iny ny sisin’arabe teny amin’ny rocade izay nifampitaoman’ireo tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana ao amin’ny kaominina.

« Mifampitaona hatrany ireo tomponan’andraikitra misahana ny fanadiovana eto amin’ny kaominina amin’ny fandiovana ny tanàna. Ny kaominina dia tsy mitsahatra ny manentana amin’ny fanajana ny fanadiovana, mila manao ezaka ny tsirairay raha te hiala amin’ny loto sy hitandro ny fahadiovana » hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina.

« Mian-dahy miam-bavy ny fanadiovana ety amin’ny kaominina. Ao anatin’ny fiaraha-mientana sy fifampitsinjovana no hanaovana ny fanadiovana, asa-tanamaro io ka tsy vita raha tsy hifanakomana hoy ny fitenenana » hoy i Hanta, mpandray anjara amin’ny fanadiovana.

Efa fanaon’ny kaominina ny hetsika fanadiovana toy izao. Atao isaky ny roa volana izao mba ahafahana mitandro ny fahadiovana indrindra ny eny an’arabe. Soa fitaratra ho an’ny kaominina hafa ny tahaka izao, raha samy manadio ny tandrifiny tokoa ny kaominina tsirairay mety ho lavitry ny fako ny renivohitra. Na izany aza, mbola mila ezaka be vao tena hadio ny tanànan’Ambohimangakely.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire