ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Mpivady tompon’antoka tamin’ny fanafihana, tratra niaraka tamin’ny moto nangalarin’izy ireo

Mpivady tao amina toka-trano iray tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy no nahatratrarana moto tsy nisy taratasy ny fiandohan’ny herinandro teo. Nampiahiahy  ny manam-pahefana ny momba ireo olona ireo niaraka tamin’ity moto ity ka nahatonga ny fanadihadiana.

“Angom-baovao azo avy amin’ny olon-tsotra ny 04 novambra noho ny fisian’ny moto mampiahiahy no niatombohan’ny fanadihadiana nataon’ny zandary avy eto amin’ny brigady Ankadikely Ilafy. Niroso tamin’ny fikarohana ireo zandary ka tra-tehaka tao amin’ny tranona mpivady ireo ny moto scooter tsy nahitana taratasy ka notazonina natao famotorona izy ireo” hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandraimaria ao Ambohimangakely.

“Ny ampitson’ny nitrangana io, ny 05 novambra dia nisy olona tonga nitaraina noho ny fahavakisan’ny trano fonenany eny Belanitra ka nahavery ny moto sy vilany miisa telo, araka ny fanambarany. Rehefa nohamarinina dia ilay moto hita teny amin’ireo mpivady ilay very nandritra izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Rehefa niverenana natao fanadihadiana moa ireo mpivady ireo dia niaiky tokoa fa tompon’antoka tamin’ny vaky trano niseho tao Belanitra, kaominina Ankadikely Ilafy ihany. Naseho teo amin’ny fitsarana izy ireo ka voatazona vonjimaika eny am-ponja.

Manitra R.

Laisser un commentaire