SocialTatitra

Maurice : Misy ny rindrambaiko ahafahana mampitaha vidin’entana

Misy ny rindrambaiko antsoina hoe « Mopri » ao amin’ny nosy Maurice. Ahafahana mampitaha vidin’entana amin’ireo tranom-barotra samihafa io rindrambaiko mba hiadiana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ary ahafahana misafidy ny entana mora indrindra.

Ny ministeran’ny varotra tao an-toerana no namolavola io tetik’asa io. Entana an’arivony no voarakitra ao amin’izany ary afaka mampitaha ny vidin’entana ny mpividy. Tanjona iray ao anatin’izany ihany koa hoy ny tompon’andraikitra ny famporisihana ny fifaninanana eo amin’ireo mpivarotra.

Mikasa ny hamoaka lalàna tsy maintsy hidiran’ny tranom-barotra tsirairay ao amin’io rindrambaiko io kosa ministera.

Laisser un commentaire