SocialTsidika

Zazalahy kely tratra nangarom-paosy tany Marolambo

Tsy mifidy taona ny halatra, fa rehefa tsy misy ny eo am-pelatanana ka na ny ankizy aza mangalatra. Manomboka mahana ny olona amin’izao rehefa hivoaka ny trano, hoy indrindra i Nofy izay mpiasa birao iray hoe : « Izaho amin’izao izay olona rehetra any aoriako rehefa eny amin’ny arabe aho dia heveriko ho mpangarom-paosy avokoa, ka mahana avy hatrany aho ary mamikitra ny kitapoko sao misy misintona tampoka, ny mamoaka finday moa ataoko fady mihitsy ».

Inona no mahatonga izany ? Toa mian-dahy miam-bavy mihitsy ity fanendahana sy fisintonana mahery ity. Eny, hatramin’ny zaza aza tahaka ilay tany Marolambo ny Sabotsy 3 jolay lasa teo.

Vehivavy iray nandeha niantsena no nitaraina ny maraina teo tokony ho tamin’ny 10 ora fa very nisy nangarona ny vola 6 000ar teny aminy. Nilaza ny manodidina fa ilay zazalahy kely tsy dia lavitra teo no hitan’izy ireo nihaodihaody teo akaikin’ilay vehivavy. « Somary varimbariana ilay ramatoa, ilay zaza rahateo efa niodikodina teo aminy ka teo no noharoniny ny paosiny », hoy ny olona iray tsy lavitra teo.

Rehefa nanontaniana anefa ity farany dia ninia ho tsy naka ilay vola. Nosavaina izy avy eo ka tratra teny aminy ny vola 5 200ar, ary nisy tamin’ireo nanatri-maso no nijoro vavolombelona fa nahita ity zaza ity nividy zavatra. « Teto amiko mihitsy izy no nividy zavatra ary somary gaga ihany aza aho tamin’izany volabe izany » hoy ilay mpivarotra nividianany zavatra izay nanamarina ny fividianan’ity zazalahy ity teo aminy. Nalain’ilay vehivavy ny vola, ary nomeny 200 ar ilay zazalahy. Ity farany kosa dia nigogogogo nitomany rehefa nitangoronana sy nanarin’ny olona teo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire