Efa vonona amin’ny fanadinam-panajakana CEPE ny fianarana hanaovana izany
Ora vitsy sisa no isaina dia higadona ny datin’ny fanadinam-panjakana CEPE eto Madagasikara raha ny 6 jolay izao. Azo lazaina fa efa vonona ny rehetra ny mpianatra na ny fianarana handraisana azy ireo.
« Namerimberina ny tsara ho fantatra sisa izahay ny herinandro lasa teo ary avy eo nomena fotoana kely hakana saina tsara ny mpianatra mba ho tena vonona hiatrika ny fanadinana » hoy ny i Sedera, mpampianatra. Raha ny trano fianarana kosa indray dia efa vonona tanteraka ny ankamaroan’ny fianarana toy ny tany amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Misy efi-trano 46 sy mpiadina 2 793 no ho raisina ao an-toerana.
« Efa vita avokoa ny “disinfection” ny efitrano tsirairay sy ny lisitry ny efitrano misy ny ankizy ary afaka mijery ny efitrano hiadinany amin’ny Talata ny mpiadina tsirairay » hoy ny Ravololomanana Lanto Harisoa, talen-tsekoly ao amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Efa maro ireo ankizy hita nijery efitrano teny an-toerana nanomboka ny sabotsy lasa teo.
Manoloana izany fanadinana izany indrindra dia ilaina ny fanaraha-maso avy amin’ny ray aman-dreny amin’ny maha ankizy ireo mpanala fanadinana indrindra amin’ireo taratasy ilaina mandritra izany. « Mianatra lesona tsara foana, amin’izay tena vonona tsara, miampy ny fanampiana avy amin’ny mpampianatra, indrindra mila ezaka lehibe noho ny zava-niseho tamin’ireny fihibohana ireny » hoy ny mpianatra iray hiatrika ny fanadinana.
Nicole Rafalimananjara
