Ambohimangakely : Misokatra ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ao amin’ny CHRD Ambohimangakely
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny varavarana misokatra ho an’ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ao amin’ny CHRD Ambohimangakely ny Alakamisy lasa teo. Marihina moa fa efa nisy ihany koa ireo tolotra ara-pahasalamana maimaiml-poana tany amin’ireotobim-pahasalamana hafa teo aloha.
Naharitra telo andro moa ity tolotra ara-pahasalamana ity. Notontotosaina ny 18, 19 ary 20 aogositra 2022 lasa teo izany. Ireo tolotra ara-pahasalamana nisy tamin’izany moa dia fitsaboana maso, sofina, diabeta, tosi-drà, didim-poitra, vaksiny covid ary ny aretina rehetra. Ity hetsika ity moa dia entina anohazana hatrany ilay tanjon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hoe fahasalamana ho an’ny rehetra tsy haknavahna sokajin-taona hatrany hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka.
Tonga nanokatra izany teny an-toerana moa ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny DRSP, niarahana tamin’ny solotenan’ny Région Analamanga sy ny solotenan’ny solombavam-bahoaka voafidy tao Avaradrano, sy ireo solontenam-panjakana maro samihafa. Nandritra izany fanokafana izany ihany koa dia nanolotra fitaovana ho an’ny CHRD sy CSB II ny fiadidian’ny kaominina Ambohimangakely toy ny fandrina, kidoro, lamaba fikarakotra.
Irariana mba hitohy hatrany ity hetsika ity ary maneho fisaorana ireo mpiara-miasa rehetra tamin’izany.
Famenontsoa Rajerison
