Mahajanga : 90% ny fahavoazana tao amin’ny « Pêche export »
22 Aogositra, 11h05, Ny sabotsy 20 aogositra, tokony ho tamin’ny telo ora maraina, no nirehitra ny orinasa « Pêche Export » ao Mahajanga. Nahatratra hatrany amin’ny 90% ny fahamaizana vokatr’izany. Rava, potika sy simba avokoa ireo fitaovana rehetra sy ny taratasy tao amin’ity orinasa, izay tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mahasika izany tranga izany amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao farany voaray.
