Antananarivo renivohitra : Miisa 85 ireo loza niseho nahafatesana olona nandritra ny volana jolay
Anisan’ny tsikaritra nanomboka ny volana jona hatramin’izao ny fisehoana lozam-pifamoivoizana ho an’ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Ho an’ny volana jolay manokana, nahatratra 85 ny isan’ireo lozam-pifamoivoizana niseho teto an-drenivohitra, ny folo tao anatin’izany izay nahafatesana olona 11, izay vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiara avokoa amin’ny ankapobeny. Ny 05 tamin’ireo lozam-pifamoivoizana ireo no loza vokatry ny fandehanana mafy amin’ny kodiaran-droa.Ankoatra izay, ny loza ateraky ny fahamamoana eo ampitondrana fiara na kodiaran-droa izay mahatonga lozam-pifamoivoizana mandratra olona
Manoloana izany, miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny mpampiasa lalana rehetra ny amin’ny tokony handraisana fepetra mahakasika ny fanajana ny foto-drafitr’asa sy ny fampijharana ny lalàna apetrakana entina andrindrana ny fifamoivoizana mba hisorahana ny loza isan-karazany toa izao, indrindra ny mahakasika ny fitsirihana ny fiara.
Manitra Ramanantsoa
