Jono : Mirongatra ny fisian’ny jono tsy ara-dalàna eto Madagasikara
Tafiakatra 16 tapitrisa dolara ny fatiantoka noho ny fisian’ny jono tsy ara-dalana amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, raha ny tatitry ny ministeran’ny jono. Ankoatra ny tsy fahampian’ny fitaovana hanaraha-maso ny fari-dranomasina, olana ihany koa ny tsy fisian’ny fandrindran’asa eo amin’ny mpisehatra amin’ny lafin’ny jono. Vokany, mahazo vahana ny jono tsy ara-dalana, kanefa, sarotra ny manenjika azy ireny mba handrindrana indray ny lamina tokony ho izy.
Hita taratra ny fahasimban’ny tontolo iainana noho ny tsy fanajan’ny mpanjono tsy ara-dalana ny fepetra eo amin’ny ity sehatra ity. « Miha-ringana amin’izao fotoana ny toeram-ponenan’ny hazan-dranomasina », raha ny tatitry ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny jono. « Marefo ny sisi-dranomasina sy ny fari-dranomasina manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro raha ny eto Madagasikara, miantraika amin’ny jono izany kanefa mbola maro ihany ny minia tsy manara-dalana fa manararaotra », hoy Charles, mpanjono.
Lesoka hatramin’izay ny fomba fiasan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fanjakana samihafa ka mitarika ho amin’ny tsy fanajana ny lalàna sy fepetra napetraka hatramin’izay. Ho apetraka ny tondro zotra iombonana hiadiana amin’ny fisian’ny fanjonoana tsy ara-dalàna. « Seranan-tsambo dimy eto Madagasikara no hametrahana ity tondro zotra ity toy ny ao Mahajanga, Toamasina, Antsiranana, Taolgnaro ary Toliara », hoy Mahatante Paubert, minisitry ny jono sy ny fihariana.
Tanterahina ao Mahajanga ny atrik’asa fampiofanana ny mpisehatra eo amin’ny jono sy fiarovana ny sisin-tany. Tohanan’ny mpanohana ara-tekinika sy ara-bolan’i Madagasikara izany. Fotoana natao handinihana miaraka amin’ny ministeran’ny jono ny paik’ady sy fepetra iombonana mba hisorohana ny firongatry ny jono tsy ara-dalana eto Madagasikara. Mila hamafisina tsara ity paik’ady ity satria na misy fepetra na tsia, mbola betsaka foana ny tsy mpanara-dalàna.
Andy Rafidimanana
