ActualitésTatitra

Maroc : Nahitana « poisson-lune » maherin’iray taonina

Mpanjono maromaro tao no nahajono trondro iray lehibe ny 15 oktobra teo. Tsy lavitr’i Ceuta an’i Espagne no nahitan’izy ireo ny trondro raha ny fanazavana. Mirefy 2,90metatra ny halavany ary 3,20 metatra ny sakany ary ao amin’ny karazana trondro « Mola Alexandrini » izy. Tsy voafaritra mazava kosa ny lanjany, nanapaka ny fandanjana nahazaka iray taonina ity trondro ity raha ny fanazavana ka novinavinaina nihoatra izay ny lanjany. Tonga tao an-toerana nanao fizahana ity trondro ity kosa ny siantifikan’ny biolojian-dranomasina Estrecho avy ao amin’ny oniversiten’i Séville (Espagne). Mbola nisy « poisson-lune » lehibe noho io hita tao Maroc io kosa raha ny fanazavan’izy ireo.Naverina an-dranomasina moa ity trondro ity rehefa vita ny fizahana azy, voarara mantsy ao amin’ny Union Européenne ny misambotra sy mivarotra azy noho ny izy biby ahatahorana ho lany tamingana.https://twitter.com/i/status/1448944096630935555

Laisser un commentaire