Etats-Unis : Nivoaka ny « chien robot armé » voalohany ao an-toerana
Notolorana nandritra ny fivoriamben’ny fikambanan’ny tafika américain tao Washington ny 11 hatramin’ny 13 oktobra teo ity « chien robot armé » antsoina hoe « Spur » ity. Misy basy fanafihana « MK-17 Mod 1 » (fusil d’assaut) ao amin’ny lamosiny izay azo tany amin’ny mpamatsy fitaovam-piadiana « Sword International ».Afaka mitifitra tsara sady mihetsika ity alika ity raha ny fanazavana, mahavita manala fitaovana ahatahorana ihany koa izy na « déminage », mandinika ny zava-misy eny ifotony ary mamantatra ireo fitaovam-piadiana simika. Mbola an’ny tafika américain ihany aloha ity « chien robot armé » voalohany ity raha ny fanazavna. Hanampy ireo miaramila eny ifotony izy ary hiaro azy ireo avy lavitra.
