ActualitésTsidika

Kolontsaina : Volana natokana ahatsiarovana an’i Gabhy ity volana martsa iray manontolo ity

Mpihira anisan’ny nihira hira betsaka indrindra teto Madagasikara i Rabehasina Gabriel izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Gabhy. Miisa 526 ireo hira Malagasy izay nohirainy niarahany niasa tamina mpamoron-kira miisa 36. Misy hetsika maro araka izany hokarakaraina hahafahana mahatsiaro ity Kintan’ny kolontsaina Malagasy ity indray.

« Hisy ny fampirantiana ny sora-pianan’i Gabhy etsy amin’ny Tranosary Ambohidahy (ex-Anta) mandritra ity volana ity izay tsy hifarana raha tsy ny 27 martsa izao izany. Nanombohana ny fahatsiarovana anefa dia nisy ny famohana ny boky mirakitra ny soram-piainan’i Gabhy, izay nampitondrain’i Aina Raherilala, mpanoratra, ny lohateny hoe “Gabhy, Kintan’ny Kanto” ny 02 martsa 2023 teo. Ankoatra izay dia mbola hisy velan-kevitra roa iresahana momba an’i Gabhy ao amin’ny efitrano Dox ao amin’ny tranombokim-pirenena sy eny amin’ny Tranosary. Handray anjara amin’izany ihany koa ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny famokarana fandaharana manokana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

« Zokibe i Gabhy ary tena manan-talenta amin’ny fihirana. Mahafinaritra foana mihaino ny feony mampitony. Rariny izy raha hanokanana fotoana manokana toy izao noho ireo zava-bitany », hoy i Tsilavina mpitendry gitara.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Ministera ho fanandratana avo ireo kolontsaina mampiavaka ny Malagsy izao hetsika izao. Ankoatra an’i Gabhy dia mbola betsaka ireo mpanakanto nanana ny maha izy azy no tsara haverina sy rajetina an-tsoratra toy izao ny zava-bitany mba tsy ho adino. Raha tsiahivina kely moa dia mpikambana tao amin’ny Tarika Kintana telo izay nisy an’i Romule sy i Salomon i Gabhy. Amin’izao fotoana izao dia i Salomon no sisa mbola any kanefa mbola maneho ny kanto Malagasy hatrany izy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire