Sainte Marie : Nahazo tohana sy fanampiana avy amin’ny Ministeran’ny Jono ireo mpanjono
Mpanjono ny 70% amin’ny mponina ao Sainte Marie raha ny tombana avy amin’ny Ministera miadidy izany. Nanao fitsidihana tany an-toerana ny Minisitra nandritra ny telo andro ka nahatsapa ny mahazava-dehibe ity sehatra iray ity ho an’ireo mponina any an-toerana. Homena fampitaovana maro izy ireo mandritra ity fitsidihana iarahan’ny minisitra sy ny tale jeneralin’ny jono ary ny goverinoran’ny faritra Analanjirofo sy tomponandraikitra maro hafa ity.
« Seha-pihariana hahafahana mampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy maro ity jono ity. Mila ampitomboina anefa ireo fitaovana hahafahana mahazo vokatra tsara sady mahafa-po. Isan’izany ny fametrahana ireo sambo hapetraky ny Ministera hiarovana ny harena an-dranomasina sy ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ary indrindra ny fametrahana ireo « Bateaux de sauvetage » hamonjena ireo loza an-dranomasina mety hiseho », hoy i Mahatante Paubert, Minisitry ny Jono sy ny toe-karena manga.
« Misehatra amin’ny asa an-dranomasina izahay ka izany indrindra no ilainay ireto fitaovana ireto. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo firenena hafa izay mangalatra ka zava-dehibe ho anay ny fahazoana izany fitaovana hiarovana ny sisin-dranomasina izany », hoy i Philiberto, mpnajona ao Sainte Marie.
Ankoatra ny famahana ireo olana sasany ho an’ireo mpanjono dia natao tany an-toerana ihany koa nandritra ziay telo andro izay ny famahana ny olana teo amin’ireo mpamboly lomotra. Fivoriana izay nataon’ny Ministera miaraka amin’ireo orinasa rehetra mpamboly lomotra handravonana ny disadisa.
Miora Raharisolo
