ActualitésTatitra

Népal : Angidimby iray no nianjera tao an-toerana

Angidimby nitondra mpizahatany no nianjera omaly 11 jolay tao Népal. Raha ny fanazavana dia niainga tao Lukla ao amin’ny faritanin’i Everest io angidimby io manodidina ny 10 ora manarina tao an-toerana ary nikasa hiazo an’i Katmandou, renivohitr’i Népal. 10 minitra taorian’ny fihaingana nefa dia tapaka ny fifandraisana.

Manoloana ny tranga dia natomboka ny fikarohana hoy i Raju Neupane avy ao amin’ny Manang Air. Olona tsy latsaky ny enina kosa no maty nandritra ny loza raha ny fanamafisany. Raha tsiahivina dia efa malaza amin’ny faharatsian’ny fiarovana an’habakabaka i Népal. Vao enim-bolana lasa izao no nisehoana loza nahazafaty olona 72 tao an-toerana.

Anton’io fitrangana loza matetika io raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ny fiovan’ny toetrandro haingana ao Népal ka mampanano sarotra ireo mpamory tsy za-draharaha.

Laisser un commentaire