Masindray : Mitohy ny fanazarana ireo tanora ao anatin’ny baolina kitra
Mitohy hatrany ny fampianarana ireo tanora ao Masindray ny tontolon’ny Baolina kitra. Misy ny fanazaran-tena ataon’izy ireo isaky ny zoma ao amin’ny kianja Masindray.
« Ho entina hanomanana sahady ny lalao amin’ny 2022-2023 izao fampivondronana ny tanora eto Masindray izao. Misy kosa ireo fepetra takiana amin’ny mpilalao tsirairay toy ny fananana herin-tsaina sy herim-batana » hoy ny mpanazatra. « Isan’ny tanjona ny mba hamokatra mpilalao baolina mahay sy mahafehy ny ara-teknika sy ara-batana ary ara-tsaina. Izany dia ho reharehan’ny kaominina hatrany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Masindray.
Rehefa mahay sy mahafehy ny tontolon’ny baolina kitra tokoa dia mora ho azy ny fandraisana anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena. Mila fampandrosoana sy fampivoarana hatrany tokoa ny fanatanjahantena izay hanomezana lanja bebe kokoa ny tanora.
Nicole Rafalimananjara
