Voaràra ny fanorenana trano tsy ara-dalàna.
Betsaka ireo trano, tsena, tamboho miorina etsy sy eroa ankehitriny. Ny didim-panajaka sy ny lalàna Malagasy anefa no tsy maintsy manome fanomezan-dalàna hanorina vao afaka manatanteraka izany. Maro amin’ny mpanorina no hita fa tsy manara-dalàna amin’ny fanorenana trano eto Madagasikara. Ho an’Antananarivo sy ny manodidina, maherin’ny 50% no hita fa tsy manana fahazoan-dalana hanorina trano nefa vita ihany izany. Antony mahatonga ny tahan’ny faharisian’ny olona hangataka ny tsy fahalalana ny tokony atao, eo ihany koa ny tahotra hiditra eny amin’ny biraom-panjakana. Tsy mahagaga koa anefa raha betsaka ireo voina mitranga indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra toy izao. Vokatry ny tsy fanarahan-dalàna, maro ny manorina toeram-ponenana eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Raha ho an’ny boriboritany voalohany fotsiny izao, 200 ny isan’ny fanorenana tsy ara-dalàna hita manodidina io tanàna io. Mbola ambonin’ny isa voafaritra aza io isa io, satria mbola betsaka ny manao izany eto Antananrivo renivohitra fa saingy tsy hitan’ny kaominina matetika. Hita teny amin’ny fiaraha-monina koa anefa fa tsy sahy mitoroka izy ireo rehefa misy ny fanorenana atao eo amin’ny toerana misy azy. Ohatra velona hita amin’izany ny eny Ankasina sy ny manodidina, izay efa hita fa tsy azo hanorenana satria tany lemaka. Tsy misy intsony ny fivoahan’ny rano ka mahatonga fianjerana ho an’ny trano izany. Eo ihany koa ny eny amin’ny faritra manodidina an’Ampahamarinana. Mila fanentanana manokana avy amin’ny tompon’andraikitra na ny fiaraha-monina na ny mpanorina tsy ara-dalàna.
Fanilo Rarivoarilala




