Tsidika

Arovy ny voa, arovy ny aina.

Ny 11 martsa no andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny voa. Manandanja sy manana anjara toerana lehibe amin’ny vatan’olombelona ny voa noho izy manivana ka manadio ny ra sy manary ireo poizina tsy ilain’ny vatana kanefa mety hanimba azy. Mila arovana araka izany ny voa satria mety hikasika singa hafa indray raha misy tsy fahametezana eo aminy. Anisan’izany ny aretin’ny fo izay tsy avy amin’ny fihetsehampo irery no mahatonga azy fa mety avy amin’ny voa ihany koa. Maro ny mety mahatonga ny aretin’ny voa toy ny fihinana sira be loatra. Tandrovy noho izany ny voa fa tena andaniana vola be tokoa ny fitsaboana azy. Efa maro ireo hery velona misy eto amin’ny firenena manampy amin’izay resaka voa izay anisan’izany ny Association Renale de Madagascar na ny ARM eo ihany koa ny Ministera mpiahy ny fahasalamana. Mila fankaherezana avy amintsika ireo marary voa eto Madagasikara hoy izy ireo ary izany indrindra no antom-pisiany mba hanampy na ara-moraly na ara-pahasalamana na ara-piarahamonina fa indrindra ny ara-bola, izay mbola tena mila ezaka indrindra. Samia manao izay azony atao iarovana ny voa na ny an’ny hafa izany na ny antsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire