ActualitésTsidika

Fanodikodinana « vacation » tao Antsiranana : Tompon’andraikitra maromaro ao amin’ny Oniversite no ahiahiana

Mitohy amin’izao fotoana izao ny fanadihadihana mahakasika ny fitantanana ny « vacation » ao amin’ny oniversite an’Antsiranana. Tompon’andraikitra maromaro ao amin’ny oniversite no efa ahiahiana amin’izany.

« Tsy mangarahara ny fitantanana ny vacation” hoy ny avy eo amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) raha niresaka mahakasika ny vacation bakalorea eo anivon’ny oniversite Antsiranana. Raha ny fanambarana nataon’ny Mesupres, ao amin’ny tananan’Antsiranana no manana tahan’ny fisoratana ambany indrindra amin’ny Baccalauréat anefa izy no mitana ny laharana faharoa amin’ny fandaniana ao aorian’Antananaraivo izay manana ny tahan’ny mpisoratra anarana Bakalorea ambony indrindra.

« Tsy nisy fitarainana voaray mahakasika ireo “arriérés” ny vacation hoan’ny “session 2020”. Gaga ny rehetra raha nanambara ny tompon’andraikitra fa mbola misy “arriérés” mbola tsy voaloa ny “session” faharoa ny bakalorea 2019. Mampametra-panontaniana izany hoe tena misy marina ve ireo “arriérés” mbola tsy voaloa ireo ary aiza ny mangarahara mahakasika ny fitantanan-bola amin’izany ? » hoy ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

Mampahafantatra araka izany ny Ministeran’ny fampianarana ambony fa ireo “vacation” tamin’ny taona 2020 dia efa nalefa tany amin’ireo oniversite. Hoan’ny vacation ny taona 2021 kosa, mbola ho havoaka aorian’ny famoahana ny valim-panadinana. « Na dia efa samy nahavoaray ireo vacation avy aza ireo oniversite rehetra, ny oniversite an’Antsiranana kosa mbola mitaky 709 572 000 Ariary amboniny ankoatry ny 524 686 000 Ariary izaay efa nalefa tao amin’ny fitehirizam-bolany. Ny oniversite ihany no namoaka ny fanambarana mifandraika amin’ity teti-bola ity » hoy hatrany ny voalazan’ny Mesupres.

Marihina fa nilamina avokoa ny fitsarana ny bakalorea tamin’ireo oniversite rehetra ankoatra ny an’oniversite Antsiranana izay nisian’ny fitokonan’ireo mpitsara bakalorea. Nanokatra fanadihadihana lalina mhakasika amin’ny antony tsy nahavoaloa ireo « arriérés vacation 2019 » ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana siantifika amin’izao.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire