Talata Volonondry: Nahasarika mponina maro ny fitsaboana mitety vohitra
Nisy ny hetsika ara-pahasalamana, fitsaboana mitety vohitra (caravane médicale) tao antampon-tsena, kaominina Talata Volonondry, ny sabotsy teo. Fitiliana sy fizahana ary fitsaboana aretina isan-karazany no natolotry ny avy amin’ny fiadidian’ny repoblikan’i Madagasikara nandritra izany, araka ny voalaza.
« Mankasitraka ny fitondram-panjakana, ny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny association Fitia nanantontosa ny caravane médicale teto an-toerana. Nahazo fitsaboana ny vahoaka sady nahazo fanafody ihany koa » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Ny fahasalamana no voalohan-karena ka tena ilain’ny vahoaka tokoa ny tolotra tahaka izao. Tsy ny olona rehetra no manana fahafahana hanao fitiliana sy hanaraka fitsaboana amin’ny hopitaly ka ny hetsika tahaka izao dia mahavonjy olona maro » hoy i Hery, mponina ao Talata Volonondry.
Marihina moa fa nisy ny fitiliana ny aretina diabeta, tosi-dra, homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza tamin’izany. Nisy ihany koa ny fizaharana ara-pahasalamana maro toa ny areti-maso, ny nify, ny mpitsabo zaza sy ny vakisiny ary ny maro hafa ihany koa.
Manitra R.
