ActualitésTatitra

Etats-unis : Marc Smith no rain’ny « Slam »

Poeta amerikanina i Marc Smith. Teraka ny taona 1949 tao Chicago izy. Mpandraharaha tamin’ny fanaovana maritrano i Marc Smith, indray andro nefa izy niaraka ny olo-tiany tany amin’ny atrikasa fanehoana poezia iray. Hatrany am-boalohany dia efa nanaitra azy ny tsy fahampiana angovo tamin’ny zavatra hitany sy ny tsy firaharahan’ny poeta ny vahoaka manatrika azy.

Manoloana izany dia nanavao ireo teboka tsy nahafapo azy ireo i Marc Smith. Niakatra an-tsehatra niaraka tamin’ny vondrona poety nantsoina hoe « Chicago Poetry Ensemble » izy ny taona 1984 sy 1986 nandritra ny Get Me High Lounge tao Bucktown. Nanomboka ny taona 1986 izy dia nikarakara fifaninana poesie tao amin’ny Green Mill, klioba Jazz tao Chicago nampitondrainy ny anarana « Uptown Poetry Slam ».

Nitodika tamin’i Grand Corps Malade izy ny taona 2018 nampiroboroboana ny Slam tao France. Miahy sekoly maro izy amin’ny fifaninana Slam samihafa toy ny « Ligue Slam de France » sy ny  « Fondation Culture & Diversité ».

Laisser un commentaire