Olan’ny mpianatra amin’ny anjerimanontolo : Miantso ny fitoniana ny ministera mpiahy
02 septembre, 17h00, Miantso fitoniana amin’ireo mpianatra ny ministera misahana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, manoloana ny hetsika fitakiana ataon’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity. Efa misy ny fandaminana mahakasika ny fandoavana ny vatsim-pianarana telo volana amin’izao fotoana izao ho an’ny oniversite an’Antananarivo, mbola miandry fandaminana kosa ny mpianatra eny Vontovorona. Mety afaka herinandro ny fotoana ivoahan’izany raha ny fanambarana.
