ActualitésTsidika

Mandeha ny resaka mikasika ny laza adina bakalorea niparitaka

Nanomboka ny alatsinainy 09 aogositra teo ary tsy hifarana raha tsy ny zoma faha 13 ny volana aogositra ny fanadinam-panjakana bakaloreat sokajy ankapobeany sy ny tapany voalohany amin’ny sokajy teknika. Efatra andro izay no lasa ho an’ireo tanora mpanala fanadinana bakalorea isan-tsokajiny avy manerana ny Nosy.

Tao anatin’izany dia nandeha ny feo tany amin’ny Faritry Sodia fa nisy ireo laza adina izay niparitaka ka nampisavorovoro ireo mpiadina tany an-toerana sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Nandiso izany anefa ny Governoran’ny Faritra any an-toerana ary nanambara izy manoloa izany toe-draharaha izany fa « mizotra araky ny tokony ho izy ny fanadinana Bakalorea ao amin’ny faritra hiadidiny ary tsy misy mipika fa voaharo tanteraka ny laza adina rehetra ». Voalaza fa fitia tia hamboly korontana sy fitiavana ny hampikatso ny fandehanan’ny fanadinam-panjakana ihany izany tsaho ninina nahely izany ka niantso ny rehetra ny ho tony ny Governoram-paritra. »Aoka tsy ampidirana resaka politika ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana mba ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana maharitra » hoy hatrany i Lylison, izay Governoran’ny Faritra Sofia.

Efa mandray ny andraikiny ireo mpanao famotorana ary efa misy ireo olona ahiahiana ho tomponandraikitra nanely ny tsaho izay niteraka fikorotanan’ny saim-bahoaka, manao antso avo ireo tompon’andraikitra araka izany mba ho tony ary tsy anaiky rebireben’ireo mpanakorontana.

Naneho ny heviny i Angeline,ray aman-drenin’ny mpianatra manan-janaka manala bakalorea fa « tokony hajanona hatreo ny fanelezana tsao fa anisa’ireo tsy mampandroso ny firenena no tsy mampivotra toe-tsaina.Miteraka avorovoro hany ka mampiady ny samy mpiray tanana.Voka-dratsin’izany ihany koa ny lasa faha kivian’ny sain’ny zaza mpanala fanadinana ».

Etsy an-daniny anefa dia nilaza i Maharitsy fa « matoa mihely ny tsao dia misy rahà ao izany, na mety efa saika nisy ny fikasana ratsy hanaparitaka ny laza adina na efa niparitaka izany koa mody takomana amin’ny hoe tsao mba tsy ahatratrarana ireo olon-dratsy sy ho fanehoana fa tena mahay mitantana ny tompon’andraikitry ny Faritra ».

Maha lasa saina ny maro ankehitriny hoe ahoana izany no anavahana ny tsaho sy ny vaovao tena marim-pototra satria ny olon-drehetra dia samy manana ny famaritany ny atao hoe fahamarinana.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire