Tonga hatrany amin’ny fihinana voalavo ny Malagasy
Renim-pianakaviana iray no nahandro voalavo ho ataon’izy sy ny zanany lahy laoka tany amin’ny faritra Atsimo atsinanan’ny Madagasikara.
Mitady voalavo any ambany trano any izy ary tifiriny amin’ny flesy. « Tapahana ny tendany, esorina ny hodiny ary atono » hoy izy manazava. Efa fanindroany amin’izao izy mianaka no nihinana voalavo araka ny filazany. Hihinanan’izy ireo vary ary kepokepohan’ny zanany rehefa tsy misy hohanina ilay voalavo atono.
Tsy fisiana no antony lehibe mahatonga azy ireo mihinana ny tsy fihinana. Tsy misy asa azo atao, tsy misy masomboly ho volena, tsy misy tompon’andraikitra mijery eny ifotony manara-maso ny fandehan’ny fari-piainan’ny mponina.
Mijaly ny vahoaka any ambanivohitra, mihinankinam-poana. Tsy misy hohanina ny Malagasy. Raha ny eto ampovoan-tany tsy mihinan-kanina nohon’ny fidangan’ny vidim-piainana, ny any amin’ny faritra kosa tsy misy hohanina mihitsy.
Tokony mandray fanapaha-kevitra ny fitondram-panjakana haniraka ireo Ministra isan-tsokajiny hanatanteraka fidinana ifotony hamohana izao tsy fahatomombanana maro loatra eto amin’ny firenena izao.
Tsangy Randriamampianina
