SocialTsidika

Tanàn’I Andilambola malaza amin’ny fanodinana fota-mainty

Tanàna iray ao amin’ny fokontany Andilana, kaominina Antsoha, distrikan’I Mandritsara I Andilambola. 3km mianandrefana somary milatsaka avaratra miala ny tananàn’I Mandritsara no misy azy. Somary miataka ny lalàm-pirenena faha-32 (RN32) izay mampitohy an’Antsohihy amin’I Mandritsara ary mitohy hatrany Andilamena. Mampalaza sy mampiavaka io tanàna io ny fanodinana fota-mainty ho tonga zavatra azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’ny vokatra vokarin’izy ireo ohatra ny fatana vita amin’izany fota-mainty izany, eo koa ireny vazy fasiana voninkazo ireny, sajoa na sinibe sy ny maro hafa. Tsizarizary anefa ny fitaovana ampiasain’ireo mponina amin’izany anefa mahavita zavatra tsara izy ireo fa mila fanampiana avy amin’ireo tompon’andraikitra. Ao Mandritsara ihany izy ireo no mivarotra ireo vokatra vokariny ireo ka 1000ar hatramin’ny 3000ar no ivarotany ny fatana iray. 8000ar kosa matetika ny sajoa na sinibe. Mitady fiaraha-miasa matotra ireo mponina mpisehatra amin’ity fanodinana fota-mainty any Andilambola ity.

Laisser un commentaire