Etats-unis : Hazo ahatahorana ho lany tamingana ny « séquoia géant »
Karazan-kazo kesika ny « séquoia géant », ao anaty fianakavian’ny « taxodiaceae » (classification classique) na « cupressaceae » (classification phylogénétique). Karazana tokan’ny « sequoiadendron » izy amin’izao fotoana. Ity no hazo lehibe indrindra eran-tany.Misy ity hazo ity ao Sierra Nevada ao Californie, saingy ahatahorana ho lany tamingana izy. Anisan’ny ireo hazo lehibe sy vaventy indrindra amin’ity hazo ity ireo hita ao an-toerana ireo. Misy azy ihany koa ao Chine saingy amin’ny karazany « metasequoia glyptostroboides », izay kelikely kokoa.
