Ukraine : Rava i Kharkiv
Mitohy ny fifanenjanana eo amin’ny Ukraine ay i Russie. Fiaramanidina mpiady ny tafik’i Russie iray no nitifitra misily « Stinger » ny tafik’i Ukraine tao amin’ny habakabak’i Kharkiv ny sabotsy 06 martsa hariva teo.Lasibatr’izany avokoa ny ankahamaroan’ny tanàna manodidina an’i Kiev. Anisan’ny voakasik’izany ny fiangonana tao amin’ny tanànan’i Bobryk, izay tanàna tsy lavitr’i Kharkiv. Anisan’ny nodarohan’ny tafik’i Russie ihany koa ny tananan’i Vinnytsia, potiky ny afo ny ampahan’ny trano fametrahana entana iray manoloana izany ary olona iray no fantatra fa namoy ny ainy. Maro kosa ireo naratra tamin’izany.
