Taranja kick boxing : Ny jeneraly Lylison René de Roland no voafidy ho filoha vaovaon’ny Federasionina Malagasy
07 Martsa, 08h00. Voafidy ho Filohan’ny Federasionina Malagasy kick boxing ny 06 martsa teo ny « jeneral de division » Lylison René de Roland izay Governoran’ny faritra Sofia. Nahazo vato dimy tamin’ny sivy izy taorian’ny latsa-bato voalohany. Tsy atao sakana hoy izy ny fitaovana na ny vola izay hoenti-manana hampiroboroboana ny taranja, noho ny ezaka efa hatao amin’ny fitadiavana mpiara-miasa sy fiofanana any ivelany sy any amin’ireo mety hanohana rehetra.
