ActualitésTatitra

Canada : Mandoro ny hafanana

Betsaka ny sekoly nikatona ary ny fanaovam-baksiny aza dia najanona mihitsy aloh anoho ny fiakaran’ny hafanana be loatra any andrefan’i Canada sy avaratr’i Etats-Unis. Mahatratra hatramin’ny 45 degrés Celsius ny tahan’ny hafanana any amin’ny toerana sasany.

Mbola tsy nisy tahaka izao ny hafanana teo amin’ny tantaran’i Canada sy Etats-Unis. Any Lytton, avaratra andrefan’i Vancouver dia mahatratra hatramin’ny 46,6 degrés Celsius ny hafanana hoy ny RTL. Ity no sokajiana ho hafanana nandoro indrindra hatramin’ny 1937 tany Canada. Any Seattle izao dia 40 Degrés Celsius ny mari-pana. Mitaraina mafy ny mponina any an-toerana amin’izao satria mila tsy ho zaka intsony ny hafanana hany ka nantsangana ny ivon-toerana fampangatsiahana ao amin’ny tanàna. Nandidy ny sekoly sy ny fanaovam-baksiny ihany koa ny manam-pahefana any an-toerana mba hanakatona izany. Maharitra mandritra ity herinandro ity ny fiakaran’ny hafanana hoy ny tompon’andraikitra.

« Mihevitra ny tenako ohatran’ny any amin’ny tany ngazana aho amin’izao » hoy ny mponina iray any Seattle. Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro no mahatonga izao izay mihatra tanteraka any amin’ny olombelona hoy ny mpahay toetr’andro ao amin’ny Washington Post.

Laisser un commentaire