Dépêches

Laharam-pahamehana ny “route nationale”

02 Jolay, 09h10. Tafiditra amin’ny laharam-pahamehana ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalam-pirenena izay hahafahana mampiakatra ny vokatra, ny fampandrosoana ireo “zones d’émergence industrielle”, ny fanatanterahana ireo fanamby ho an’ny Faritra Atsimo, ny fametrahana indostria eny anivon’ny distrika rehetra, ary ny fampitaovana sy fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana. Raha 4,5% ny fiakaran’ny tahan’ny harin-karena tamin’ny LFI 2021, dia nidina 4,3% izany amin’ny LFR 2021. Marihina fa -5,7% izany tamin’ny taona 2020 ary 4,4% tamin’ny taona 2019.

Laisser un commentaire