ActualitésTsidika

Olympiades des métiers : Handray anjara amin’ny sehatry ny tao-trano i Madagasikara

Sambany i Madagasikara no handray anjara amin’ny « Olympiades des métiers », amin’ny sehatry ny tao-trano. Ho tanterahina ao Shanghai ny fifaninanana manomboka ny 12 hatramin’ny 17 oktobra 2022 izao.

Misy telo mirahalahy ireo no hisolotena an’i Madagasikara amin’izany, Ely Romain avy ao amin’ny LTP Toamasina misahana ny fikirakirana fantson-drano (plomberie), Rakotoarivony Henintsoa Herimanana Fanomezanjanahary, avy ao amin’ny LTPGC Mahamasina, eo amin’ny rafitra biriky na/sy vato (maçonnerie) ary i Heriniaina Nirilanto Olivier, avy ao amin’ny ASFOR Tanjombato, mikirakira herinaratra (installation électrique).

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire