ActualitésTatitra

Pays-Bas : Mandeha lakana rehefa mody ao Giethoorn

Tsy ao Venise ihany no mivezivezy amin’ny lakana ny mponina. Tanàna iray ao amin’ny kaominin’i Steenwijkerland ao amin’ny faritanin’i Overijssel i Giethoorn. Anisan’ny toerana misarika mpizaha tany an’arivony aro izy noho ny endriny mbola tanana ambanivohitra.Maneho tanteraka ny fitiavan’ny néerlandais miaraka amin’ny zavaboahary ity tànana ity, rakotra dobo sy « roselière » ary hazohazo izy. Mbola trano tafo bozaka sy tetezan-kazo miavaka no hita amin’ny toerana ity. »Colonie de tourbier » ity toerana ity, rehefa nasorina izany dia nforona tsikelikely ireo dobo sy farihy ary nanomboka nanorina trano ny amin’ny nosinosy kely niforona ny olona izay niampitana amin’ny tetezana sy sambokely antsoina hoe « punter ».Nivoatra kosa izany taty aoriana efa misy ihany kosa ireo lakana mandeha amin’ny herin’aratra afaka mihazo ny toerana.

Laisser un commentaire