Fandriam-pahelamana : Mila fiaraha-miasa avy amin’ny mponina ny zandarimaria ao Ambohimanambola
Nandray ny anjara fanentanana voalohany nandritra ny fivoriam-pokonolona tao amin’ny Fokontany Gara ny lehiben’ny zandarmaria eto Ambohimanambola. Nitondra fanazavana misimisy manoloana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny tenany.
« Aza misalasala miantso na manatona anay raha manana vaovao ianareo. Miasa ho an’ny vahoaka mandritra ny andro sy ny ora rehetra izahay mandritra ny taona. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany no tena asanay » hoy Adjudant chef Rakotonananahary Joro. « Hiaraha-misalahy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fisian’izany. Ny fifanomezam-baovao mari-pototra sy ara-potoana no tena takiana amintsika vahoaka manoloana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Tanjona tamin’ity fivoriana ity ny hoe « Toe-tsaina sy Tanàna Madio « .
Antenaina hitohy foana ny fanentanana toy izany mba hisian’ny fandrosoana eo amin’ny tanàna.
Diamondra Randriantsiferana
