Ampefiloha : Mpanendaka tratra nitondra antsy
Tovolahy iray valo ambin’ny folo taona avy eny Ampasika no tratra nanendaka mpivarotra mofomamy iray teny Ampefiloha Ambodirano.
Ampefiloha, toerana iray anisan’ny malaza amin’ny fisian’ny fanendahana. Maro tokoa ireo olona no matahotra mandeha amin’iny toerana iny indrindra amin’ny mahabe elakelan-trano azy.
Nitantara ny zava-nanjo azy ity mpivarotra mofo mamy ity, ka nilaza fa tovolahy roa mitondra antsy maranitra no nanendaka azy, teo akaikin’ny EPP Ampefiloha Ambodirano.
«Nisy versement dimy alina ariary taty amiko. Ny iray nitazona ny sandriko sady manambana antsy ahy. Nibetroka izy ireo hoe avoahy ny vola, ka ilay iray faharoa no naka izany». Rah any filazany hatrany, tsy afaka nanohitra izy, noho ny antsy mitohaka eo an-tendany. Tsy tara ihany koa ny Polisy vao nahita ity tranga ity fa avy hatrany dia nanenjika ka izao nahatratrarana ity tovolahy ity izao fa ilay namany kosa tafaporitsaka.
Raha ny fanambaran’ireo polisy nanenjika azy ireo : Tsy nandia fianarana mihitsy, tsy manam-bady ary tsy miasa ity mpangalatra tratra ity.
Raha ny filazan’i Odette, talen’ny fikambanana iray mpanao asa soa : «ny tsy fananana diplaoma izay miteraka tsy fisiana asa no tena mahabetsaka ireo mpangalatra. Satria tsy misy hivelomana dia lasa manaotao foana izy ireny. Ny tena tsara indrindra, mamorona asa ho an’ireny olona ireny ary manisy fiofanana erakin’ny biraom-pokontany mba ahafahan’izy ireny mandray torolalana sy fampianarana».
« Na eo aza ny tsy fisiana, ny toe-tsaina mihitsy no mampahantra firenena iray. Marobe ny olona no tsy nandia fianarana fa kosa ny toe-tsainy te handroso sy hivoatra dia tsy ho azo amin’izany fangalarana izany mihitsy. Ny toe-tsaina arak’izany no mila ovaina» hoy kosa ny fanehoan-kevitr’i Lalaina, mpianatra sosialy.
Ireo mpitandro filaminana kosa manoloana izany, nanambara fa tsy hitsitsy izay tratra satria efa vonona hamono olona ireny olon-dratsy ireny matoa mirongo antsy, basy, sy ny sisa.
Miharatsy ny fiainana, mihamaro hatrany ireo mpanao ratsy ankehitriny no tsy mianona fotsiny amin’ny fangalarana fa tonga hatramin’ny famonoana olona mihitsy. Na dia efa manao hetsika fidinana ifotony ho fisamborana ireo jiolahy aza ny polisim-pirenena ka mahatratra jolahy maro, hita fa ny mpangalatra mihitsy no efa maro. Tsy fisiana tokoa ve sa hakamoana no mahamaro ireo jiolahy ?
Tsangy Randriamampianina
