ActualitésTsidika

Fanondranana lavanila : Hentitra amin’ny fampanajana ny lalàna mifehy izany ny Fanjakana

Nametraka lalàna vaovao mahakasika ny fanondranana lavanila ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Toekarena. Notolorana boky tari-dalana ireo mpandraharaha hanondrana lavanila amin’ity taom-panondrana 2022-2023 izay hisokatra ny 15 novambra ho avy izao ity. Hentitra ny avy ao amin’ny Ministera amin’ny fampanajana izany lalàna izany ary tsy hisy fanondranana miainga raha tsy voahaja izany lalàna izany.

« Hatomboka ny 15 novambra izao ny taom-panondranana lavanila amin’ity taona 2022-2023 ity. Marihina anefa fa misy lalàna vaovao mahaaksika ny hetra sy ny fikirakirana vola vahiny mahakasika izany ka tsy hanomboka akory io fotoam-panondranana io raha tsy voahaja ireo lalàna izay napetraka ireo. Efa mahalala izany avokoa ny mpandraharaha rehetra izay notolorana tari-dalana », hoy Edgard Razafindravahy, Ministry ny Toe-karena,  

« Tafiditra ao anatin’ny tari-dalana ity ny mahakasika ny fetram-bidy farany ambany izay napetraka dia ny 75 000ar ho an’ny lavanila maintso, 500 000ar ny lavanila voaomana ary 250 dolara ny lavanila mihondrana. Tsy maintsy hajaina ireo fetra ireo ary ho arahi-maso akaiky », hoy hatrany ny fanazavana.

« Efa ady sy tolona vao nahazo io vidina lavanila io ho amin’io ka tokony ho jerena akaiky ireo mpandraharaha minia manao tsindrio fa lavo satria izahay tantsaha mihitsy no tsy mandray raha mbola mihena noho io ny vidina lavanila », hoy i Nasandratra, tantsaha mpamboly lavanila.

Voly iray mampiavaka an’ny Madagasikara ity voly lavanila ity. Tsara kalitao ny lavanila avy aty Madagasikara eo amin’ny varotra iraisam-pirenena. Tokony hisitraka ny tombony avy amin’izany avokoa ny Mlagasy rehetra, indrindra fa ireo mpamboly ka tokony jerena akaiky ireo manao tsinontsinona ireny tantsaha ireny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire