Portugal : Tsy misy tohiny ny raharaha fanolanana niampangana an’i Cristiano Ronaldo
Nosokajian’ny mpitsara ao Amérique iray ho raharaha tsy misy tohiny (sans suite) ny raharaha niampanga ilay mpilalao baolina kitra malaza Cristiano Ronaldo. Raha tsiahivina dia vehivavy mpilatro avy ao Etats-Unis antsoina hoe Kathryn Mayorga no nitory azy noho ny fanolanana izay nataony taminy.
Raha ny filazan’io vehivavy io dia tany Las Vegas no niseho ny trangas. Nitaky vola 200 tapitrisa dollars tamin’io mpilalao baolina kitra io i Kathryn Mayorga ary efa nahazo 375 000 dollars taminy ho takalon’ny fahanginany momba ny zava-misy voalaza sy fanatsaharany ny fanenjehana.
Noho ny fandikan-dalàna niampangana ny mpisolovavan’ny mpitory kosa no antony nanatsaharana ny raharaha raha ny voalazan’ny fitsarana misahana izany ao Nevada ny faran’ny herinandro teo.
