ActualitésTsidika

Inde : Iza moa i Sriti Jha ?

Teraka ny 26 febroary 1986 tao Begusarai, Bihar i Sriti Jha. Pragya no ahafantatran’ny maro azy tao amin’ilay horonantsary Kumkum Bhagya. Efa nahazo ny « Indian Telly » ho an’ny vehivavy mahay milalao horonantsary indrindra tao Inde izy, ny loka ITA ary ny loka ho an’ny mpilalao mahay indrindra tamin’ny horonantsary Kumkum Bhagya.Tamin’ny taona 2007 izy no nilona tao amin’ny tontolon’ny horonantsary tamin’ilay horonantsarin’ny Disney Dhoom Machaao Dhoom, nilalaovany an’i Malini Sharma. Nanomboka ny taona 2014 kosa izy no nilalao tao amin’ilay horonantsary Kumkum Bhagya. Hafa tanteraka amin’io horonantsary ny fitafiny amin’ny fiainany an-davan’andro.

Laisser un commentaire