ActualitésTsidika

Avaradrano : Ny kaominina Talatavolonondry no nandray ny fivoriana fanaon’ny distrika isaky ny roa volana

Ny zoma lasa teo no nanatanterahana ny fivoriana izay iarahan’ireo ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny niaraka tamin’ireo solotenam-panjakana ary olom-boafidy sy olom-boatendry ao anatin’ny disitrikan’Avaradrano, ny fivoriana izay fanao isaky ny roa volana. Anjaran’ny kaominina Talatavolonondry no nandray izany, tamin’ity manaraka ity.

« Izany fivoriana izany no natao ho fanajana ny lalàna mifehy ny fitatanan-draharaham-panjakana ary hanaovana ny tatitra, ny fizaram-baovao ary fifanakalozan-kevitra amin’ny fampandrosoana sy ireo lafin-javatra samihafa eny anivon’ny kaominina tsirairay » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Noresahina manokana nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny fanaovana Kopia faobe, ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, ny fananan-tany, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana ary ny tontolo iainana » hoy hatrany ny avy amin’ny CRAI.

Anisan’ny nandray anjara tao anatin’izany fivoriana izany ihany koa ireo tomponandraikitra amin’ny fiadidianana ao anatin’ny kaominina tsirairay, izay mandrafitra ny distrikan’Avaradrano, ao anatin’izany ireo mpanolo-tsaina eny anivon’ny kaominina, ireo mpitandron’ny filaminana ary ireo lehiben’ny boriboritany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire