ActualitésTatitra

Bordeaux : Vehivavy iray nandratra polisy tamin’ny antsy

Nandratra polisy iray ity ramatoa tsy salama saina ity talohan’ny polisy hafa azy ny 10 may lasa teo tany Bordeaux. Nolazain’ny polisy fa maty noho ny tifitra izy kanefa nahitsin’ny mpampanoa lalàna any an-toerana, Frederique Porterie, tamin’ny Agence France Presse izany fa naratra mafy ilay ramatoa ao amin’ny CHU Pellegrin any Bordeaux. Nambaran’ny vadin’ity ramatoa ity fa tsy salama saina ity ramatoa ity, ary manaraka ny fitsaboana ankehitriny hoy ny polisy misahana ny heloka bevava. Tao anaty efitrano iray, ary mitazona antsy amin’ny tànany tsirairay, mandrahona ny vadiny ary mandrapohana ny hanapotehany ny tenany ihany izy, ka niditra an-tsehatra ny polisy nitifitra. Vao maika romotra ilay vehivavy ka nanatsatoka antsy ny polisy, saingy tsy ratra be akory fa ratra kely teo amin’ny tongony ihany.

Laisser un commentaire