Foto-drafitr’asa : Efa mandroso ny fanarenana ny kianjan’ny Barea izay simba
Raha tsiahivina dia nahitana fahasimbana ny kianjan’ny Barea Mahamasina taorian’ny fitsenana ireo Barea izay nahazo ny toerana fahatelo nandritra ny CHAN farany teo. Efa andalam-panamboarana ireo izay simba ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao ary heverina hahafahana mandray ny lalao izay hatao eo an-toerana manaraka izany.
« Tsy maintsy hamboarina ary tsy maintsy vita ny kianja izay nahitam-pahasimbana nandritra ny fitsenana ny Barea farany teo. Ny volana martsa izao izany dia tsy maintsy hiasa io toerana io, izany hoe afaka 15 andro ka tsy misy ny atahorana fa mbola maniry tsara ireo bozaka hapetraka ireo », hoy ny avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana na ny SENVH.
« Ny fahasimban’ny fotodrafitr’asa toy izao hatrany no hahafahana mandray lesona sy vahaolana. Mbola tena mila hampianarina ny fahaiza-miaina sy ny fahaizana manaja ny fananana iombonana ny Malagasy. Mbola ezaka be izany, tsy hoe ny Malagasy rehetra moa izany fa ny sasany, kanefa ireo mahay izany koa indraindray matahotra ny hiteny amin’ny karazana efa tsy fifampitokisana intsony. Toy ny fanananao ao an-trano ihany ireny ka tokony haha-saropiaro ny tsirairay. Vao any amin’ny kilasy ambany anefa dia efa hampianarina izany ny tsirairay », hoy i Toavina, mpampianatra.
Bozaka natoraly karazany 3 samihafa izay samy manana ny asany miantoka ny fahatsarana sy fahamafisan’ny kianja no mandrafitra ny antsika. Hisy ny fikarakarana manokana ho an’ireo izay faritra tena voa mafy. Tafaverina tanteraka ihany koa ireo fefy niongotra sy nivilana noho ny tosika. Hisy ny fandraisana ny lalao fifanintsanana izay hifandonan’ny Madagasikara sy ny Republique Centrafricaine ny 20 martsa izao ka hiverina amin’ny laoniny alohan’io fotoana io ny kianja.
Miora Raharisolo
