Ambohimanambola: Nohatsaraina ny kalitaon’ny rano fisotro
Nisy ny fanatsarana ny kalitaon’ny rano fisotro tao amin’ny kaominina, ny talata teo. Voatery nanapaka ny famatsiana rano araka izany ireo tomponandraikitra misahana ny servisy rano fidiovana sy fanadiovana ao an-toerana manoloana ny fitarainan’ny mponina noho ny haratsin’ny tsiron’ny rano hampiasan’ny daholo be, araka ny voalaza.
“Manoloana ny fitarainana mahakasika ny rano marikivy dia nirosoana tokoa ny fanamboarana sy fanitsiana izany kalitaon’ny rano ampiasain’ny rehetra izany. Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ny hanatsarana ny kalitao sy famaliana ny hetahetan’ny mpanjifa ka tsy mitsahatra mikaroka vahaolana ho an’izany ny tomponandraikitra” hoy ny avy amin’ny servisy rano fidiovana sy fanadiovana.
“Olana matetika miseho rehefa fotoanan’ny fahavaratra tahaka izao dia maloto, mivadika mavo be ny rano. Voatery tsy maintsy mampiasa ireo akora fanadiovana ny rano rehetra ireo teknisianina manoloana izany mba hanadiovana ny rano ka ireo akora ireo matetika no manova ny tsiron’ny rano na mahatonga azy ho lasa maisatra rehefa ampiasaina” hoy i Ny Avo, mpizatra asa teknisianina amin’ny rano.
Nandritra izany fanitsiana izany moa dia tsy maintsy nirosoana ny fahatapahan-drano tao an-toerana, nisy ihany koa ny fanadiovana ny sinibean-drano. Ho an’ireo izay mila fanazavana mahakasika ny famatsian-drano moa dia afaka miantso ny servisy rano fidioavana sy fanadiovana amin’ny laharana 0384941094.
Manitra R.
