ActualitésTsidika

Fanjifana : Nihena ny vidin’entana sasany nandritra ny fety 

Raha ny fahita matetika dia ny fiakaran’ny vidin’entana rehefa fety toy izao. Nanamarika ny tamin’ityb taona ity ihany koa ny fidinan’izany vidin’entana izany noho ny fahitana fa nihena ihany koa ny fahefa-mividin’ny mpiantsena. Efa mipetraka ho kolontsaina ho an’izay manana fahefana ny mamono vorona toy ny gana, ny gisa, ny vorontsiloza sy ny maro hafa rehefa fety ka betsaka no tsy lafo tamin’izy ireny tamin’iny fetin’ny Noely iny.

« Tena raha oharina amin’ny tamin’ny herintaona aloha tena ratsy ny tsena. Betsaka ny nentina nody kanefa hoe fety dia betsaka no noraisina hovarotina. Raha ny fahitako azy dia tena sahirana ny olona dia mihena ny fandaniana. Raha ny anay izao dia nampidinina ihany koa ny vidin’entana satria izay manontany dia miova lalana vao maheno ilay vidiny », hoy ity mpivarotra gana, sy gisa sy ny maro hafa ity teny Nosibe teny.

« Nampihena ny fandaniana mihitsy izahay tamin’ity satria ny fety mbola betsaka kanefa ilay vidim-piainana tena miakatra miakatra ihany. Karama iray volana izao sady hanaovana fety no hiainana mandritra ny volana janoary. Ny ankizy ihany koa nividinana kilalao fa nijerijery izay mba azon’ny vola ihany fa tsy hitomany randrana tsy manendrika ny tena », hoy i Saholy, renim-pianakaviana.

Mitobaka any an-tsena amin’izao fotoan noho izany ireo ambin’ny entana izay tsy lafo ka tsy maintsy halefa mora. Maro ny fenitra mahatonga ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tokony hojerena manokana satria mie-mahantra noho izany ny Malagasy. Maro ny olna sedrain’ny firenena saingy ny fiainan’ny olom-pirenena dia tokony tsy hatao ambanin-javatra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire