La Réunion : Fihodinana fahatelo amin’ny fifidianana isam-paritra
Hotontosaina androany ny fihodinana fahatelo amin’ny fifidianana « regionales » any La Réunion. Miisa 45 ny mpanolo-tsaina isam-paritra voafidy hivondrona handray anjara amin’ity fifidianana izay ho filoha hitondra mandritra ny 6 taona ity. I Huguette Bello no nahazo ny vato 51,85% tamin’ny vato azony izay 29 tamin’ny mpifidy 45 tamin’ny fiodinana faharoa. Mbola tsy fantatra raha ity efa nitana ny laharana tamin’ny faharoa ity ihzny no hivoaka ho mpandresy indray amin’ity fahatelo ity ka hahazo ny anjara toeran’ny filoha amin’izay.
