ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Andim-behivavy nikasa hanavotra ny namany nigadra tao amin’ny tobin’ny zandary

Zava-niseho nanaitra ny maro no nitranga tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana tamin’ny sabotsy 04 febroary teo. Vehivavy miisa fito no nanao amboletra tao amin’ny tobin’ny zandarimaria tao an-toerana, nikasa hamoaka ny naman’izy ireo, izay voatazona noho ny fahatratrarana rongony tao aminy, araka ny voalaza.

“Izy fito mirahavavy ireo dia tonga, niditra an-keriny tato amin’ny biraon’ny zandary ary nitady ny amoahana ny lehilahy iray izay voatazona sy hanaovana andrimaso ato an-toerana. Io lehilahy io izay marihina fa voatazona noho ny fanaovana aferana rongony mahery vaika tety amin’ny kaominina sy ny manodidina” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Tao anatin’izany moa nisy  ny fanazavana sy ny fifampiresahana tamin’ireto vehivavy ireto ka rehefa tsy nanaiky izy ireo dia nanao ny amboletra, nisy ny ompa sy ny faniratsirana ny zandary. Manoloana izany dia nisy ny fandraisana fepetra avy hatrany. Izy ireo ihany koa izay mpiray tsikombakomba amin’ny fanapariahana sy fivarotana ireo rongony ireo” hoy hatrany ny fanazavana.

Araka izany, tsy nahomby ny fikasana hanavotra ity lehilahy ity izay nataon’ireto andiam-behivavy ireo. Izy ireo izay voatazona  ihany koa taorian’ity seho ity ary niakatra fampanoavana tamin’ny alatsinainy teo. Raha ny voalaza moa, dia nalefa vonjimaika eny Antanimora izy ireto amin’izao fotoana izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire