ActualitésTatitra

France : Hanampy ny tafika ao Liban

Firenena maherin’ny 20 no nanatanteraka fivoriana am-pitain-davitra ny alakamisy omaly mikasika ny fanombohana ataon’i France amin’ny fanampiana vonjimaika ny tafika any Liban.

Ity farany izay ianjadian’ny krizy ara-toe-karena lalina ankehitriny efa am-bolana maro izay. Firenena toy i Etats-Unis sy ny firenena ao amin’ny Golfe ary firenena hafa ao Europe no nandray anjara tamin’ity fivoriana ity izay notronin’ny solontenan’ny firenena mikambana sy ny vondrona Eoropeanina hoy ny Ministry ny tafika frantsay, Florence Parly. Mila fanampiana tokoa mantsy ny tafika ankehitriny toy ny fanafody sy ny sakafo, indrindra ny fitaovana izay mahatratra aman-tapitrisa maro ny vidin’izany hoy ny loharanom-baovao.

Nanome toky fa hanolo-tanana ireo firenena nivory nandritra ny fivoriana notarihan’ny Minisitry ny tafika Frantsay, indrindra manoloana izao ady amin’ny covid-19 izao.

Laisser un commentaire